<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?>
<!DOCTYPE rakibolana SYSTEM "DicoEncyc.dtd">
<?xml:stylesheet type="text/xsl" href="DicoEncyc.xsl"?>
<rakibolana>
	<terme>
		<ti>a</ti>
		<skj>a</skj>
		<rav>Tarehintsoratra ary zanatsoratra voalohany amin'ny abidia latinina izay notapahin-dRadama I (1823) nanoratana ny teny malagasy taorian'ny soratra arabo atao hoe sorabe</rav>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aadokadoka</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-adoka-doka</rasa>
		<rav>(famindra, fihetsika, fiteny) Atao miedinedina</rav>
		<oh>Naadokadony loatra ny teniny ka nahamonamonaina ny nihaino azy</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aafitra</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a- afitra</rasa>
		<rav>Ajanona, ampiantsonina eo amin'ny morona; aato; atsahatra; aalokaloka</rav>
		<oh>Mahery loatra ny onja ka  aleo haafitra aloha ny lakana</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aahotra</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-ahotra</rasa>
		<rav>Aato na ajanona tsy handeha na hanohy ny asa atao</rav>
		<oh>Misy sehon-javatra somary mampiahiahy any an-dalana any ka voatery tsy maintsy aahotra ny dia</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aainginaingina</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-aingina-aingina &gt; a-aingin(a)-aingina</rasa>
		<rav>Apetraka amin'ny toerana avo sy talaky maso</rav>
		<oh>Aleo ity entana ity no aainginaingina noho ny hafa mba hanintona ny mason'ny mpizaha</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aaloka</ti>
		<skj>m. anoina/fitaovana</skj>
		<rasa>a-aloka</rasa>
		<rav>Entina miaro amin'ny hainandro, orana, rivotra</rav>
		<oh>Tsy ho vanona ireo zanakazo ireo raha fanitso no aaloka azy</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aampatra</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-ampatra</rasa>
		<rav>Ampandrina atao mivalandotra ambony zavatra ampy ivalamparana</rav>
		<oh>Etsy ambonin'itsy farafara itsy izy aampatra mba hahamora ny fizahana ataon'ny dokotera azy</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aankina</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-ankina</rasa>
		<rav>Atehina amin-javatra  mba ho marin-toerana na tsy hianjera</rav>
		<oh>Hazo mavesa-be iny ve no aankina amin'io andry efa boboka io, ka tsy hianjera?</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aantona</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-antona</rasa>
		<rav>Apetraka hikiraviravy amina tady na amina fantsika mipetaka amin'ny rindrina</rav>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aantsona</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-antsona</rasa>
		<rav>1. (fitaterana an-drano) Ajanona eny amin'ny toerana iray amoron-dranomasina na ranomamy toy ny seranana na tafiana</rav>
		<oh>Ao amin'ny seranan'i Toamasina no tsy maintsy aantsona ny sambo mpitondra solika tsy voadio</oh>
		<rav>2. (fitaterana an-tanenty) Ajanona eo amin'ny toerana malalaka voatokana ho fitodiana sy/na fiaingan'ny dia</rav>
		<oh>Aantsona eny amin'ny seranam-piaramanidina ny mpandeha sy ny entana mandritra ny fiatoan-tsidina teknika</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aapanapana</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-apanapana</rasa>
		<rav>Asaina mitotototo na mivezivezy etsy sy eroa</rav>
		<oh>Aza dia aapanapana tahaka izao kosa iny lahy antitra iny fa mampalahelo</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aato</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-ato</rasa>
		<rav>Ajanona tanteraka na mandritra ny fotoana voafetra</rav>
		<oh>Tojo fahasahiranana ilay orinasa ka misy ny mpiasa tsy maintsy aato mandritra ny fotoana tsy voafetra ary misy ireo aato tanteraka</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aatoka</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-atoka</rasa>
		<rav>Ahetsika miakatra sy midina ny loha ho mari-panekena na  fiantsoana amin'ny fihetsika fotsiny</rav>
		<oh>Efa tena reraka mihitsy ilay marary ka ny lohany fotsiny sisa no aatony mamaly ny mpitsabo</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aatokatoka</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-atoka-atoka &gt; a-atok(a)-atoka</rasa>
		<rav>(loha) Ahetsiketsika mba ho mari-panekena izay lazaina na anontaniana</rav>
		<oh>Ny lohany fotsiny no naatokatony ho mariky ny fanekeny</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aatrana</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-atrana</rasa>
		<rav>1. Atraka tsara  sady ajoro mahitsy</rav>
		<oh>Aatrana tsara ny basy ho mari-pahavononana hisedra ny fahavalo</oh>
		<rav>2. Ajoro mba hiandry amim-pahavononana ary hamaly an'izay mifanandrina amin'ny tena</rav>
		<oh>Miaramila efa tsy latsaky ny arivo lahy no naatrana am-bava basy hiaro ny vohitra</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>aba</ti>
		<skj>a</skj>
		<rav>Anarana fanajana iantsoana ny ray niteraka na ny lehilahy tokony ho rain'ny tena</rav>
		<tmh>ada, angy, baba, dada, daday, kaky, ray</tmh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>abafoka</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-bafoka</rasa>
		<rav>Avela hitsilailay mandritra ny fotoana ela eo am-pandriana</rav>
	</terme>
	<terme>
		<ti>abahana</ti>
		<skj>m. anoina/fitaovana</skj>
		<rasa>a-bahana</rasa>
		<rav>Entina misakana na manelingelina tsy ho afa-mandro sy mihemotra na tsy ho afa-mivoaka sy miditra</rav>
		<oh>Mampitohana ny fifamoivoizana ny fiarakodia maty abahana ny lalana</oh>
		<tmh>asakana</tmh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>abaka</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-baka</rasa>
		<rav>Atao mihataka toy ny endriky ny tarehintsoratra V ny tendrony na ny laniny</rav>
	</terme>
	<terme>
		<ti>abalabala</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-bala-bala</rasa>
		<rav>Ampiasaina hatao bala</rav>
		<oh>Vato karanana sendra voarain'ny tanany no nabalabalany an'ilay akoho</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>abaliaka</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-baliaka</rasa>
		<rav>(maso) Atao misokatra be</rav>
		<oh>Abaliakan'ny hafaliana ny masony</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>abanabana</ti>
		<skj>m. anoina/atao</skj>
		<rasa>a-banabana</rasa>
		<rav>(varavarana, varavarankely, vavahady) Adanadana na vohaina tanteraka</rav>
		<oh>Aza abanabana ny varavarana fa idiran'ny vovoka ny trano</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>b</ti>
		<skj>a</skj>
		<rav>Tarehintsoratra faharoa ary renintsoratra voalohany amin'ny abidia malagasy, tononina hoe [bi] na [be]; fanovan'ny &quot;v&quot; mialoha ny ampiasana tovana na ny teny mialoha ny anaovana kambanteny, toy ny hita ao amin'ny man-voly &gt; mamboly, tongotra vakivaky = tongo-bakivaky</rav>
	</terme>
	<terme>
		<ti>ba</ti>
		<skj>a</skj>
		<rav>1. Kofehy volonondry fanenona amin'ny tanana na milina</rav>
		<oh>Vita amin'ny ba ny ankamaroan'ny akanjo mafana aranty sy amidy eny amin'ny magazay amin'ny fotoanan'ny ririnina</oh>
		<rav>2. Fitafiana notenomina tamin'ny tanana na ny milina natao hamonosana ny ranjo sy ny tongotra</rav>
		<rav>3. Fonon-tongotra</rav>
	</terme>
	<terme>
		<ti>ba</ti>
		<skj>a</skj>
		<rav>Fitsinjarana ny fiarahan'ny paika (miadana sy mafy) sy feo amin'ny mozika na ny andalana amin'ny tononkalo</rav>
		<oh>Ba efatra izany mozika izany</oh>
		<fp>F-p. :</fp>
		<ff>ba gasy</ff>
		<zf>Ny ngadona gasy dia miainga amin'ny endrika ngadona kiroaroa na kitelotelo miteraka endrika ifandimbiasan'ny fahasamihafan'ny paika sy fikisahan'ny tsindrim-peo. Io fahabetsahan'ny ngadona io dia alamin'ny ngadona iray izay mitondra ny paika arahina, dia mahazo fifandanjana na filaminan'ny hira. Ny fikarohana ny momba ity ngadona gasy ity dia mbola izao no miforona</zf>
	</terme>
	<terme>
		<ti>ba</ti>
		<skj>a</skj>
		<rav>Fanohofana ny molotra na ny takolaka amin'olona ( tiana, havana, sakaiza, namana) na zavatra hafa</rav>
		<tmh>mamikely</tmh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>ba gasy</ti>
		<skj>a</skj>
		<rav>j. ba</rav>
		<rkp>Ny ngadona gasy dia mifototra amin'ireo karazana ngadona marobe, ary ny fampiarahana izany ngadona maro izany dia ahazoana endrika ifandimbiasan'ny tsy fitovian'ny paika sy fiovan'ny tsindrim-peo.  Ny tonony dia misy paika in-droa ahitana ngadona roa na telo, ka ny voalohany ihany no misy ny tsindrim-peo. Ny hafaingana sy fiadanan'ny paika no miteraka ngadona vaovao samihafa. Ny famaritana ny atao hoe ngadona dia ny fitsinjarana ny mety ho fiarahan'ny paika (paika miadana sy mafy). Izay no manome ny sombin-kira. Ny ngadona gasy dia miainga amin'ny endrika ny ngadona kiroaroa na kitelotelo miteraka endrika ifandimbiasan'ny fahasamihafan'ny paika sy fikisahan'ny tsindrim-peo. Io fahabetsahan'ny ngadona io dia alamin'ny ngadona iray izay mitondra ny paika arahina, dia mahazo fifandanjana na filaminan'ny hira. Ny fikarohana ny momba ity ngadona gasy ity dia mbola izao no miforona. Ireo mpikaroka mampiasa solfejy na (solfa) mba anehoana ny ngadona. Kanefa tsy mahadika ara-d&#224;lana ny maha izy azy ilay ngadona ireo solfejy sy solfa. Hatramin'izao dia i Naly Rakotofiringa no mpandika solfejy ho an'ny piano anisan'ny mahay. Ny fanadihadiana na famakafakana ny ngadona gasy dia zava-dehibe mba hahalalana sy hitahirizana ny vakoky ny haisoratry ny firenentsika, satria indraindray ny tonony no manome ngadona ilay feon-kira. Na dia eo aza ny vokatry ny teknolojia na fandrosoana ary na dia eo koa aza ny vokatry ny fandraisana ny toetry ny faritra manodidina dia mijanona hatrany ny fototry ny ngadona gasy. Ny fikarohana endrika hanoratana ny ngadona gasy dia zava-dehibe mba hanehoana ny maha izy azy toa ireo feon-kira sangany avy any amin'ny tany tsy tandrefana.</rkp>
		<arp>Rakotomalala Mireille</arp>
		<bibl>1. Madagascar : la musique dans l'histoire / Rakotomalala Mireille. - Paris : Anako, 2003 2. Toetoetra mampiavaka ny rindra-kira malagasy / Rafaralahy Joseph Antoine. - Antananarivo : FTM, 1987. - 126 p. ; 20 cm</bibl>
	</terme>
	<terme>
		<ti>baba</ti>
		<skj>ft</skj>
		<rav>Tsara tarehy, kanto aoka izany</rav>
		<oh>Ireo tovovavy babany no mandray olona eo am-pidirana</oh>
		<fp>F-p. :</fp>
		<ff>Baba ray, baba reny</ff>
		<zf>Nateraky ny mpivady samy tsara tarehy sy/na toetra</zf>
		<ohab>Papangolahy anaty katsaka, izay mivoaka babany avokoa</ohab>
		<zo>Enti-milaza olona mifandimby maneho fahaizana na hakingana imasom-bahoaka ka samy mendrika avokoa izay rehetra miseho</zo>
	</terme>
	<terme>
		<ti>baba</ti>
		<skj>a</skj>
		<rav>j. aba</rav>
		<tmh>aba, ada , angy, dada, daday, ikaky, kaky, ray</tmh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>babababa</ti>
		<skj>a</skj>
		<rav>Antsoantso, horakoram-pitarainana, figogogogoana, finaonaona, fitarainana</rav>
	</terme>
	<terme>
		<ti>babakolahy</ti>
		<dia>sk</dia>
		<skj>a</skj>
		<rav>Vodin'ny taho-mangahazo efa antitra ka maozatra aoka izany ny nofony</rav>
		<oh>Ilaina andrahoina ela ny babakolahy raha tiana halemy</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>babakoto</ti>
		<skj>a</skj>
		<as>(Indris brevicaudata)</as>
		<lh>(Rajaonarimanana)</lh>
		<rav>Gidro fohy rambo fahita any amin'ny ala atsinanana</rav>
		<oh>Isan'ny biby arovana eto Madagasikara ny babakoto noho izy efa mila ho lany taranaka</oh>
		<tmh>amboanala</tmh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>babakoto</ti>
		<skj>ft</skj>
		<rav>Iantsoana olona dondrona ho fanarabiana azy</rav>
		<oh>Aza atao ho babakoto ny zaza na dia tsy mahay sy tsy maharaka ny namany aza</oh>
	</terme>
	<terme>
		<ti>bambandrano</ti>
		<skj>a</skj>
		<rav>Ranomasina midadasika mandrakotra faritra lehibe amin'ny velaran'ny bolantany</rav>
		<oh>Lahatsoratra mikasika bambandrano no navoakany</oh>
		<rkp>Lafintany voajanaharin'i Madagasikara mampisaraka azy amin'ny firenena hafa manodidina ny ranomasina. Efa ela no fantatry ny Malagasy fa anivon-driaka i Madagasikara saingy asa raha fantatr'ireo Malagasy mpiaramonina tamin'Andrianampoinimerina fa ny ranomasina manodidina an'i Madagasikara dia ny Bambandrano Indiana. Ny lakan-dranon'i Mozambika kosa no iantsoana ny sampan'io Bambandrano io izay manasaraka azy amin'i Afrika. 
Iray amin'ireo Bambandrano telo manerana ny tany ny Bambandrano Indiana. Tsy iza ireo Bambandrano, ankoatra azy fa ny Bambandrano Pasifika sy ny Bambandrano Atlantika. Ny Bambandrano Pasifika moa dia manamorona ny ilany andrefan'ny [Kontinanta Amerikana], manodidina ny [Kontinanta Oseania] ary koa manamorona ny ilany atsinanan'ny [kontinanta asiatika]. Ny Bambandrano Atlantika kosa no manamorona ny ilany atsinanan'ny [Kontinanta Amerikana] ary ny ilany andrefan'ny [Kontinanta Eorôpeana].
Tsy ny Bambandrano ihany anefa ny ranomasina manerana ny tany fa mbola maro, tsy ho tanisaina eto, saingy ny velarany no kelikely ka tsy mendrika antsoina ho Bambandrano. Anisan'izany ny ranomasin'i "Méditerranée", ny ranomasina Mainty any Eorôpa sns…</rkp>
		<arp>Rasamoely A. Gabriel</arp>
	</terme>
	<terme>
		<ti>bambandranomasina</ti>
		<skj>a</skj>
		<rav>j. babandrano</rav>
		<tmh>oseana</tmh>
	</terme>
</rakibolana>
